SOMBIM-BAOVAO

Judo. Malagasy mpilalao 3 no handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Judo, ho an’ny sokajy Vétérans. Ahitana an-dRasoanaivo Razafy Luc, Rasolondraibe Mamy Don­go­zo ary Heriniaina Samuel Vestalys. Fifaninanana hatao any Abu Dhabi, ny 31 oktobra hatramin’ny 3 novambra izao.

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tany Toliara, ny fifaninanana « Tournoi Foot Inter Fokon­tany ». Natao ho fanohizana sy fitsinjovana manokana ireo mpanao fanatanjahantena any an-toerana ity hetsika karakarain’ny antoko TGV ity. Marihina fa marika hanohanana ny kandidà laharana fahatelo izany.

Marco Ilaimaharitra, Malagasy mpilalao baolina kitra. Nahatafiditra baolina roa indray ity mpilalao ity rehefa nifanandrina tamin’ny Antwert ny Sporting Club Charleroi, klioba hilalaovany any Belgique. Marihina fa anisan’ireo mpilalao namiratra tamin’ny Can 2019 nitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy i Marco.

Hotontosaina manomboka anio ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “ligue des Champions 2024”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Seville FC, Espagne vs Arsenal, Anglisy. Ny ekipa Espaniola no hampiantrano amin’io fihaonana io.

Partager sur: