«Mamy indray ny miaina». Fampisehoana tokana no hotanterahin’i Henri Ratsimbazafy any Frantsa. Seho ao amin’ny Théâtre de Longjumeau 20 Av. du Général de Gaulle, 91160, ny 29 oktobra izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Hiaraka hihira sy hanotrona azy amin’izany i Zo-Hely, Voahirana, Rija Ramanantoanina ary i Mamy. Fantatra fa tafiditra ao anatin’ny faha-90 taonan’i Henri Ratsimbazafy ity seho ity.
“Atrikasa angano”. Ny Centre Fihavanana Mahamasina indray no nandray ny hetsika atrikasa angano tamin’ny andron’ny omaly. Razanadriaka Lalao Elina no nitarika ny atrikasa. Nandritra izany ihany koa, nampahafantarina ny boky “Ny lanitra sy ny fianakaviany” sy ny “Ny lesona nomen’ny sahona”.
“Balade mentale”. Tanterahina eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny 4 hatramin’ny 25 novambra 2023, ny fampirantiana “Balade mentale” an’i Arilala Ophélia. Ity farany izay laharana faharoa tamin’ny fifaninanana Prix Paritana 2023. Haikanto miavaka vita amin’ny plastika, maneho firafitry ny atidohan’olombelona no aseho amin’izany.