Tsy mandeha ila

Mpandresy ! Mpandresy ! Ambeti-tenin’ny mpanao politika ankehitriny. Mba azon’izy ireo an-tsaina ve anefa ny dikan’izany ? Sao sodokan’ny olona marobe fotsiny ny ankolafin-kery rehetra. Mahavariana ny mahita ny vondrona izatsy na izaroa midehaka fa izahay no nahazaka olona be indrindra. Raha ny hamaroan’ny olona angamba no maridrefy hanaovana tombana, mety lany fihodinana voalohany ilay kandidà tsy nahazo afa-tsy 8 %, kanefa filoha am-perinasa tamin’izany fotoana.
Inona no tiana hambara? Mba hialana amin’ny fifanomezan-tsiny sy ny fiampangana ho ory hava-manana dia aleo hazavaina fa mila fitandremana ny fikirakirana ny antontan’isa amin’ny kajikajy politika. Sanatrian-dresaka ho mpanatsatso, saingy te hisarika ny sain’ny besinimaro fotsiny mba handinika akaiky. Famantarana iray fotsiny ny vahoaka marobe mivorivory fa ny tena atao hoe fandresena dia ilay fahafahan’ny vahoaka malagasy anatin’ny fahantrana lalina sy ny firoboroboan’ny toekarena.
Tsy misy afaka hirehareha ho mpandresy izany raha mpanao politika tsy afaka manome famantarana seha-pampandrosoana maro ao amin’ny fireneny. Raha mbola latsaka an-katerena ny toekareny. Mitaky ezaka misimisy kokoa, araka izany, ny « fandresena ». Tsy ampy ny fitanisana izao na izao sy ny fampandriana adrisa etsy sy eroa. Tsy ny fankahalana sy famotehana mpifanandrina politika no ilazana fa mpandresy.
Tsy mandeha ila anefa ny fikatsahana an-drafandresena. Mitaky ezaka be dia be avy amin’ny vahoaka ihany koa izany. Zava-dehibe ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay sy ny isan-tokantrano. Tsy misy fandrosoana anatin’ny fahantrana ara-tsaina. Mitaky finiavana sy fahavononana hiala amin’ny fahalavoana sy fahalovana. Tsy maintsy ny toe-tsaina no mila amboarina sy mahay mihoitra.

r.r

Partager sur: