Vaky trano : raim-pianakaviana maty novonoin’ny jiolahy

Nofiraina famaky sady rotiky ny tifitra nataon’ny jiolahy 12 lahy ny raim-pianakaviana iray ka namoy ny ainy tao Betana­tanana Maintirano, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 22 oktobra teo. Nanafika tokantrano iray tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy. Raim-pianakaviana sy ny vadiny, samy nohazonin’ireo tsy mataho-tody. Na­lain’ireo mpandroba ny zavamaneno miisa telo sy “ampli” roa, niampy kojakojan-dakozia. Nanohitra ireo jiolahy nitam-piadiana, tamin’io fotoana io, ilay lehilahy ka tafaporitsaka nandositra. Nentin’ireo olon-dratsy ilay vehivavy saingy navotsiny rehefa niala kely ny trano. Tetsy ankilany, niezaka niantso an-telefaonina an’ilay rangahy vadin’io ramatoa io ny olona akaiky azy fa tsy tratra antso. Nanampy tamin’ny fikarohana ny mpitandro filaminana sady nanara-dia ireo olon-dratsy. Hita faty, rakotra diam-bala anefa ilay rangahy ny marainan’ny sabotsy teo, tamin’ny 5 ora. Raha tsiahivina, vao ny 3 oktobra lasa teo no nahafaty lehilahy iray tao amin’io tanàna io ihany ny jiolahy fito lahy nitam-basy.

Tsiferana R.

Partager sur: