VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 17 778 ny vahiny nitsidika an’i Madagasikara ny volana septambra 2023 teo. Nitombo io tarehimarika io raha oharina ny tamin’
ny taona 2022, izay nahatratra 16 226. Mitotaly 157 000 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara nanomboka ny janoary hatramin’ny septambra teo. Tanjona ny hisian’ny mpizahatany 300 000 amin’ity 2023 ity.
Napetraka ny fizaram-paritra hitantanana ny farihy Tseny, kaominina Tsaratanana, Port- Bergé, faritra Sofia. Nanatanteraka izany ny fitantanam-
paritry ny Jono sy ny toekarena manga Sofia, ny
15-19 oktobra teo. Misy ny lamina napetraka mamaritra ny toerana azo trandrahana, ny arovana ary ny hambolena hazo. Natsangana koa ny Dina mifehy azy.
Mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena fahaefatra (RN 4), toy ny eo Tsaramandroso, Anjan­jia, Andalamahitsy, Befotoana-Ankarafantsika, Anta­nambao-Andranolava, Mangapaika, sns. Avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny vola hanaovana azy, ao anatin’ny tetikasa vonjy taitra (CREC).

Partager sur: