Miantraika betsaka eo amin’ny toekaren’ny mponina ny vidim-piainana. Tamin’ity volana oktobra ity, nidina ho 8,5% ny taha, araka ny antontanisa navoakan’ny Instat.
Nahitana fihenana raha oharina tamin’ny volana avrily teo ny fiakaran’ny vidim-piaianana eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny antotan’isa (INSTAT), Ndremitsara Tarzan. Nilatsaka ho 8,5% izany raha toa ka tafakatra hatrany amin’ny 12,1% fito volana lasa izay. Taham-piakarana ambony indrindra tamin’ity taona ity. Nihena ity antontan’isa ity na eo aza ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena sy ireo kojakoja samihafa fampiasa andavanandro. Niakatra tokoa mantsy ny vidin’ny vary nafarana, eo ihany koa ireo mpanararaotra mahatonga izany. Antony indrindra, anaovan’ny Instat antso avo manokana ny tokony hanamafisan’ny tomponandraikitra ny fanaraha-maso ny vidin’izany eny an-tsena.
Marin-toerana
Fitazomana ny vidin-tsolika sy ny fampiharan’ny Banky foibe ny politika momban’ny “restriction monétaire” no nahazoana ity vokatra ity izay nampiverina amin’ny laoniny ny taha. Mbola ambany ity taha 8,5% ity raha oharina eto Afrika. Anisan’ny mampisondrotra ny vidim-piainana ny krizy samihafa lalovan’ny firenena sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika.
Ahafahana mifehy ny vidim-piainana kosa ny fampihenana ny fanafarana entana avy any ivelany sy ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny ary ny fanodinana ny vokatra avy eto an-toerana. Fandraharahana manome lanja ny vita malagasy izay tsy mena mitaha ny amin’ny avy any ivelany fa indrindra ny famoronana sy fanomezana asa ho an’ny tanora. Marihina fa manodidina ny 80% ny tahan’ny tsy fananan’asa eto amintsika, araka ny antotan’isa nivoaka farany.
Henintsoa Hani