Taorian’ilay haintrano goavana tetsy Behoririka, ny zoma alina teo, tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana eto Analamanga, Natolotriniaina Herizo Fanomezantsoa. Naneho ny fahavononana hanampy ireo mpivarotra tra-doza ity tomponandraikitra ity sady nanome toky fa hamoraina ny fanamboarana ny antontan-taratasin’ireo mpivarotra eny an-toerana. Fantatra fa misy tamin’ireo trano may no tsy manana ny taratasy momba ny varotra ataony intsony noho izy lasa lavenona. Goavana ny fahavoazana tamin’ity tranga ity. Kila may avokoa ny 90% amin’ireo toeram-pivarotrana manamorona ny ranon’i Behoririka, ampitan’ny Tsena Maitso. 10 tamin’ireo hazo fivarotana miisa 206 no sisa tsy may, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny tsena eny an-toerana.
Kila
Aman-tapitrisa maro no levon’ny afo nandritra ny tranga. Misokatra ny fanadihadiana lalina ny antony nahatonga ny voina. Etsy ankilany, betsaka ireo simba fananana, tsy manana fidiram-bola, maro ihany koa ireo tsy an’asa noho ny fahamaizana. Potika ny fihariana sy ny fidiram-bolan’ireo mpivarotra eny an-toerana. “May ny herim-po, may ny asa firy taona, may ny ezaka natao hatramin’izay…” hoy ny fitarainan’ny mpivarotra iray nanana tsena may teny an-toerana. Mihamafy ny fiainana ho an’ireo mpandraharaha nandany vola aman-karena tamin’ny fananganana ny tsena saingy kila forehitra tao anatin’ny ora vitsy.
Henintsoa H.