Maro ny ampahan-dalana efa vita eto Antananarivo, fa mbola mitohy koa ny asa, na fahavaratra aza ny andro. Anisan’ny vao vita tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity ny eny amin’ny BOA Ampandrana, mandalo Bel’Air, hatrany amin’ny Paositra Ambanidia.
Toraka izany koa ny eo amin’ny sampanana Ankatso, Antanimora, Mausolée, hatrany Ampasampito. Anisan’ny ampahan-dalana efa vita koa ny eny Anosy, ny eo anelanelan’ny hopitaly HJRA sy ny tranobe Immeuble «Plan».
Tsiahivina fa saika efa vita avokoa, tamin’ity volana oktobra ity, ny eny 67 ha sy ny manodidina, Ambodin’Isotry, Andavamamba, Ampefiloha, nataon’ny orinasa Colas. Anisan’ny vita koa ny eny Ankadimbahoaka, Tsimbazaza, Manakambahiny, sns.
Avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ilay tetikasa asa vonjy taitra (CREC), no hanamboarana ireo lalana eto an-drenivohitra ireo, araka ny tinapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny volana jolay 2023. Misy koa ny lalam-pirenena tafiditra ao anatin’io tetikasa io, toy ny ampahan-dalana amin’ny RN 2, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Anatin’izany ny eo Manjakandriana, Mandraka, Marozevo,…, ny ao an-tampon-tanànan’i Moramanga, sns. Misy koa ny any Ankarafantsika, sampanana Anjajia, ho an’ny lalam-pirenena RN 4, mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga.
Njaka A.