Tontosa, omaly, ny hetsika atrikasa Angano sy fanentanana hamaky boky, ho an’ny teny amin’ny Boriborintany fahenina, notarihin-dRazanadriaka Lalao Elina.. Teny amin’ ny trano famakiam-boky Antsararay no nanaovana izany, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny “Festival Caravaniles 2023”. Mpianatra maro samihafa, avy amina sekoly isan-tsokajiny no niatrika izany.
Anjaran’ny ankizy sy ny tanora mpianatra eny anivon’ ireo sekoly eny Antsararay sy ny manodidina no nisitraka ny hetsika “Caravaniles 2023”, iarahana manatanteraka amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny DACVC. Anisan’ny nisitraka izany ny mpianatry ny EPP Antsararay sy ny Lycée Privé kristianina malagasy… Tanjon’ ity hetsika ity ny hanabeazana sy hikoloina ny mpianatra
amin’ny alalan’ny boky. Eo ihany koa ny famerenan-kasina ny boky sy ny famakiana azy. Toy ny efa natao tany amin’ny boriborintany hafa, nisy ihany koa ny fampahafantarana boky. Nampahafantarina teny an-toerana ny boky “Ny lesona nomen’ny sahona” sy ny “I Tita sy ny boky”, tamin’ny andron’ny omaly. Asa soratra izay mirakitra fampahafantarana ny voka-dratsy ateraky ny fanimbana ny tontolo iainana. Eo ihany koa ny fanentanana ny olona, indrindra ireo mpianatra, hiaro ny tontolo iainana.
Lin