… Fa tsy politika ! Antsam-paribolana, toy ny fanaon’ny faribolana Sandratra isam-bolana izy ity. Hotontosaina ny sabotsy 28 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CGM/GZ Analakely, ny “Fy ifidianana”. Hanokatra ny taom-piantsana izany ho an’ity Faribolana ity, ka ezahina hiavaka. “Fy ifidianana”, hiantsan’ireo poeta tononkalom-pitiavana amin’ny endriny maro, ary tsy misy idiran’ny politika mihitsy. Ny endrika isehoany kosa, hitarafana ny zava-misy amin’izao fotoana. Kandidà maro manao fihetsiketsehana, mandresy lahatra, saingy amin’ny alalan’ny fitiavana. Be ny mikaoty fa iray no mahazo ny amboara…”, hoy ny fanazavan’i Mina Hilarion.
Zo ny Aina