Misamboaravoara ilay sambobe antsoina hoe Madagasikara. Tsy hita izay handraisana ny tolon’ilay vondron’ny kandidà 11 sa efa 10 ankehitriny? Ilay iraikalahy, nandeha nanao fampielezan-kevitra, milaza mpikambana feno amin’ny hetsika. Nisalotra lamba fotsy, nilaza fa mariky ny firaisan-kina. Mivoy ilay tsy fitiavam-bazaha ka zary miteniteny foana, toa mandrora mitsilany. Vadim-bazaha… handroaka vazaha !
Mifanindran-dalana amin’izany, manambara ny hanatevin-daharana ny hetsika iretsy vovonan’ny sendikà. Tonga hatrany amin’ny fikasana hampikatso ny raharaham-pirenena. Mampametra-panontaniana ilay fanapahan-kevitra. Vahaolana amin’ny krizy lalovana, ankehitriny ve izany sa olana hanampy olana ? Ny sarambabem-bahoaka no hizaka ny voka-dratsin’izany, mazava ho azy. Tsy ny mpitarika sendikaly izay mety mahita mangirana amin’ny mpanao politika velively. Tsy ho ireto farany koa anefa, satria ny mpanambola dia manam-bola eny ihany. Rehefa tsy misy ny vola miditra, mazava ho azy tsy hisy ny karama… hanokona inona ho an’ny vady aman-janaka izany ? Toa mandrora mitsilany ihany.
Mila fandinihana lalina ny fandraisana fanapahan-kevitra, mifandraika amin’ny tontolo politika. Tsy azo iraparapana ny fironana atsy na aroa. Tsy tokony hohadinoina ny tantara nifandimby : vazaha mody miady izy mianakavy dia anjorom-bala ny sosialim-bahoaka. Tsy tokony hisy ho sodokan’ny fankahalana olona iray, efa niara-nitondra sy mpiray latabatra ny mpisehatra fototra.
Mazava ny tanjona ho an’ny mpanao politika, fifamaliana faty, andaniny. Fikatsahana tombontsoa manokana, ankilany. Rehefa may ny tanàna, izy mianakavy mitsinatsinaka amin’ny azo. Ny Malagasy mitrongy vao homana no mizaka ny tsieran’ny aina…mandrora mitsilany tsinona !
r.r