Anisan’ny hetsika lehibe indrindra amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Misy hatrany ny fivoarana hoentin’izany.
Nosokafana, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny hetsika «Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Maro ireo mpandray anjara. Nisongadina indrindra amin’izany ny tanora. Saika ny sanganasan’izy ireo no tazana amin’ny fampirantiana. Tazana efa miditra an-tsehatra bebe kokoa hatrany eo amin’ny tontolon’ny soratra ny tanora. Ho an’ny «Herinandron’ny Havàtsa-Upem» 2023, tsy noferana ny lohahevitra hampisy ilay fivelaran’ny talentan’ny tsirairay.
Nanana akony tsara tamin’ireo tanora manao ny fampirantiana izany, satria, nahitana karazana lohahevitra maro ny sanganasan’izy ireo. Anisan’izany ny fitiavana (olon-droa lahy sy vavy, ray aman-dreny, tanindrazana, mpiray tampo…). Fanehoana sy fampibaribariana ireo tranga sy zava-misy eny amin’ny fiarahamonina… Tsikaritra koa ny fahamaroan’ireo fomba fanoratr’ireto tanora mampiranty ny sanganasany etsy amin’ny Tranombokim-pirenena ireto.
Hanana ny hoaviny mamiratra
71 taona ny fikambanana Havàtsa-Upem. Efa misy ny sampana any ivelan’i Madagasikara. Raha ny fahitana ny endrin-tseho hita ao amin’ny «Herinandron’ny Havàtsa-Upem», hanana ny hoaviny mamiratra ny tontolon’ny soratra. Manana mpandimby ireo mpanoratra zoky. Na, somary mirona kokoa amina lohahevitra roa (fitiavan’olon-droa lahy sy vavy sy «tolona» » aza ireo tanora, tsapa ihany koa ny hetahetan-dry zareo haneho ilay hasin’ny maha Malagasy tahaka ny teny, tany, fomba amam-panao, sns.
Anisan’ny tanjaka ho an’ ireto tanora ireto ny fananany ireo zoky afaka hifanakalozan-kevitra, hanoro ary hitantana ao anivon’ny fikambanana.
HaRy Razafindrakoto