Nitohy tany Analavory sy Soavinandriana, any Itasy, ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, omaly. Nampanantena ny tenany fa hojerena koa ny tantsaha.
Nambarany fa hifanohana hatramin’ny farany ho amin’ny fampandrosoana ny tenany sy ny vahoakan’ny faritra Itasy. Notsiahiviny fa fotodrafitrasa tsy vita tao anatin’ny taona maro no naorina any amin’iny faritra iny. Anisan’izany ny tranompokonolona lehibe manara-penitra, ny biraom-paritry ny polisy, ny tsena lehibe, ny fitsaboana maimaimpoana… “Hanakaiky kokoa ny vahoaka ary hijery ny tantsaha isika”, hoy izy. Anisan’izany ny tantsaha, ny olan’ny tany, ny tsy fananana asa… Betsaka ny efa vita raha mbola vao fikasana ny an’ny hafa. Isika efa nahavita sy mbola hanao ary nanorina fotodrafitrasa manerana ny faritra, araka ny nambarany. “Maro ireo mpitondra nifandimby saingy iray ihany no tia tanindrazana sy tian’ny vahoaka”, hoy izy.
Natsidiny fa hovahana ny olan’ny fananantany ka hozaraina amin’ny Malagasy ny tany. Ny hisitrahan’ny tantsaha sy ny kaoperativa ny zezika sy ambioka ary zanak’akoho ka hampitomboina izany, manomboka izao.
Hiaraka hanova
Etsy andaniny, nambarany tao Soavinandriana fa efa niasa tao anatin’ny 5 taona ny tenany ary nanao fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka. Namaha ny olana momba ny fampianarana, toy ny fanorenana EPP sy CEG. Eo koa ny oniversite efa vita ao an-toerana ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ka hanafarana mpampianatra avy any ivelany. Ny fanomezana boky sy ordinatera… “Hiaraka hanova ny tantara isika… Tsy mbola afapo aho ka hanova ny tantaran’ity faritra ity, hojerena ny hiakaran’ny fari-piainana ka hitombo ny fidiram-bolantsika aty”, hoy izy.
Synèse R.