KIANJAN’NY CFFA : mandroso ny asa fanamboarana

Tonga nijery ifotony ny fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina an’ny CFFA teny Andoharanofotsy, omaly, ny ben’ny Tanàna, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta) sy ny talen’ny orinasa misahana izany, niaraka tamin’ireo mpilalao sasantsasany ao amin’ny CFFA toa an-dRakool sy i Dadafara ary i Lalaina. Mandroso ary mizotra, araka ny tokony ho izy, ny asa ary fantatra fa afaka 2 volana dia hapetraka amin’ izany fotodrafitrasa izany ny bozaka artifisialy.
Tsiahivina fa fampanantenana nataon’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry Nirina, ho an’ ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy ity kianja ity. Nambaran’i Tôta fa ho afaka hampiasain’ireo sekoly ao amin’ ny kaominina iadidiany io kianja io, hanaovana fanatanjahantena satria misy «piste» azo hihazakazahana. «Misao­tra fa tsy mbola namitaka anay fa nanome izay nampanantenainy anay ny filoha Rajoelina”, hoy izy.
Tsy nanafina ny hafaliany kosa ireo mpilalaon’ny CFFA ka nilaza fa ny kianja tahaka izao no hany tsy ampy amin’ireo mpilalao eto amin’ny tanàna. Raha misy toa izao daholo ny kaominina rehetra, mandrosobe ny baolina kitra eto Madagasikara. Tsiahivina fa anisan’ny klioba manana mpilalao maro mandrafitra ny Barea, ny CFFA, izay efa tompondakan’i Madagasikara ny taona 2021 ary manana ivontoerana fanofanana ankizy amin’ity taranja ity.

Torcelin

Partager sur: