Lavon’ny zandary ny dahalo roa lahy anisan’ireo nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Bemahogo, kaominina ambanivohitra Ankaraobato, afakomaly. Samy nitondra basimborona ireo dahalo 18 lahy ka nanafika tao amina tokantrano iray. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary. Nanaovana sakana avokoa ireo kizo nahiana handosiran’ireo tsy valahara. Tsikaritry ny mpanara-dia teo amin’ny kizon’i Malainkalina, anatin’io fokontany Bemahogo io, ireo mpangalatra. Raikitra ny fifandonana ka lavo ny roa tamin’ireo jiolahy. Nandositra ireo namany. Mitohy ny fanarahan-dia.
Tsiferana R.