SOMBIM-BAOVAO

Nandeha nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny FIFA ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Marihina fa hampiseho sy hanazava ny fandaharanasany no tena aton-diany any an-toerana. Tanjon’ny FMF ny hanaovan’ny Barea de Madagascar ny “Mondial 2026”.

Taorian’ny fialantsasatra, nandritra ny volana vitsivitsy, nanomboka niverina nanao fanazarantena tsikelikely teny amin’ny kianja Rabemananjara, Mahajanga, ny klioban’ny Fosa Junior Boeny. Tsiahivina fa ity ekipa ity no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2023.

Hifanandrina anio, any Paris, ny Paris Saint-Germain, France sy ny AC Milan, Italie, amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’
i Eoropa “Ligue des Champions 2024”. Marihina fa ity no lalao azo heverina ho toy ny famaranana kely, tsy maintsy hitady fandresena avokoa ny roa tonta.

Azo antoka fa tsy hifindra lasy i Atetokounmpo, grika mpilalao basikety amin’ny NBA. Niampy iray indray ny taona hilalaovany ao amin’ ny Milwaukee, klioba any Etats -Unis. 28 taona izao ny tenany ary efa nahazo ny MVP, ny taona 2021. Tsy mbola fantatra ny hoavin’ity mpilalao ity aorian’ity fifanarahana ity.

Partager sur: