Hitafa amin’ireo mpankafy literatiora i Riva. Etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy no hatao ny fihaonana, hiresadresahana mahakasika ny literatiora amin’ny ankapobeny sy ny sanganasan’i Riva manokana. Tafiditra anatin’ireo fandaharam-potoana anatin’ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray” izy ity.
“Madagascourt Film Festival”. Horonantsary miisa 38 tamin’ireo 163 nisafidianana no voafantina ho amin’ny «Madagascourt Film Festival», andiany faha 18. Mpanatontosa 39, ahitana vehivavy 13 sy lehilahy 26, avy amina firenena 21, no handray anjara amin’izany fifaninanana izany.
“Ciném’alliance”. Hitohy anio, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny hetsika “Festival du Livres Thrillers”, andiany faharoa. Ny horonantsary “Shinning” no iarahan’ny mpankafy itony karazana haikanto itony mankafy, ao anatin’ny “Ciném’alliance”. Haikanto izay ao anaty vinan’ny tomponandraikitra ny hametraka azy amin’ny toerana tokony hisy azy.
“Atelier Hay”. Hifarana anio, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny “Atelier Hay” ho an’ity volana oktobra ity. Raha tsiahivina ny teny an-toerana, nampianarana ny fanenomana nandritra ny fampianarana isaky ny alarobia. Haikanto hafa indray no zaraina ao anatin’ny “Atelier Hay”, amin’ny volana manaraka.