Tovovavy novonoina : notrobahana zava-maranitra ny sofiny

Maty nisy namono ny tovovavy vao 23 taona, teny Antohibe Ambohidratrimo, omaly.
Niboridana ny tapany ambany, novelesina ny lohany, natsipy teny amoron’arabe ny razana.

Alahelo sy hakiviana ny an’ny fianaka­vian’Itom­po­kovavy F. Tiana, tovo­vavy 23 taona, hita faty teny Antohibe Ambohidratrimo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora. Niala tao an-trano, toy ny mahazatra, handeha hiasa eny Ambohijanahary Antehiroka izy, afakomaly. Tsy fanaony ny tsy mody an-trano ka nikaroka azy ny havany ny alatsinainy nifoha talata saingy niala maina. Olona nandalo, mpiray tanàna taminy no nahatsikaritra razana tanaty kirihitra manamorona ny arabe.
Nidina ifotony, nizaha ny razana ny dokotera avy amin’ny CSBII Ambohidratrimo sy ny zandarimariam-pirenena. Hita nandritra ny fizahana fa misy ra mivoaka ny sofiny, maratra ny lohany. Miboridana ny tapany ambany, saingy tsy nahitana ranonaina. ”Mety zava-maranitra natrobaka ny sofiny no nahafaty azy”, araka ny fampitam-baovao taty amin’ny gazety.
Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ny eo anivon’ny brigadin’ny zandary Ambohi­dra­­trimo. Misy ny fikarohana ny nahavanon-doza izay heverina fa nangalatra ny findain’ny lasibatra ihany koa.

Natolotra ny fianakaviana ny vatana mangatsiakany, re­hefa vita ny fombafomba rehetra amin’ny fitsirihan’ny ma­nam-pahefana. ”Hatra­min’izao, tsy mbola misy ny antsipiriam-baovao azo omena. Vao ma­nomboka ny fanadihadiana lalina izahay. Misy ny dingana arahina ka efa nisy ny fepetra noraisina mahakasika izany. Tsy maintsy manaja ny tsiambaratelon’ny famotorana isika. Ny azo ambara ankoatra izay voalaza. Efa ny 23 oktobra no nahafaty azy raha ny fitilian’ny dokotera, izay antony kosa ny fikarohana sy angom-baovao no hamaly azy”, hoy ny tomponandraikitra nanazava, omaly.

r.r

Partager sur: