TSELATRA

Trano lehibe iray misy rihana no kila hotohoton’ny afo teny Miandrarivo Ambanidia, omaly hariva. Fipoahana herinaratra no voalaza fa nahatonga ny firehetana. Nifanome tanana tamin’ny famonoana ny afo mialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina ny fokonolona teo an-tanàna. Na somary nanano sarotra aza ny famonoana ny afo, avotra soa aman-tsara ireo olona tao an-trano.

Naratra mafy voafaokan’ny taxi-be ny jiolahy iray nifanenjehan’ny olona teny Mahazo, omaly hariva. Mbola afa-nitsoaka ihany anefa izy na teo aza ny ratra nahazo azy. Avy nanendaka tao anaty fitohanan’ny fiara izy no nifanenjehan’ny olona. Lasa nihazo ny lalana mihazo an’Ambatomaro taorian’izay. Voalaza fa efa malaza ratsy eny en-toerana ity jiolahy ity saingy tsy mety tratra.

Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ilay jiolahy tratran’ny polisy miasa ao amin’ny PPA Ankorondrano. Voarohirohy ho nitazona basy izy niaraka tamina antsy. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy teny Ankorondrano no nahatrarana ity jiolahy ity. Somary hafahafa fihetsika izy ka niroso tamin’ny fisamborana azy ny polisy. Tratra tany an’elakela-trano izy ka hita tany aminy ireto fitaovam-piadiana ireto. Nilaza izy fa saika hanao fanafihana.

Voasambotry ny zandary tao Ankazovelo, Midongy Atsimo, afakomaly ireo jiolahy tompon’antoka tamina halatra vy amin’ny tetezana. Marobe ireo fitarainana voarain’ny zandary avy amin’ireo mpampiasa ny lalana RN 18 momba ny fahaverezan’ireo vy amin’ny tetezana. Fantatra taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary fa ao Ankazovelo ireo malaso. Misy amin’ireo jiolahy sasany tafaporitsaka.

Partager sur: