VAOVAO TAMBATRA

Manomboka androany ka haharitra efatr’andro ny «salon de la créativité Voatra», atao etsy
amin’ny kianja Barea. Hetsika hanandratana ny vokatra vita malagasy fa indrindra ny fivoaran’ny mpandraharaha nahazo tohana tamin’ny Antenimieran’ny indostria sy ny varotra nandritra ny 10 taona.
Nirodana ny tetezana any Fangolafana Maromena, distrika Ifanadiana, ny 21 oktobra teo. Kamiao lehibe iray no nandalo teo aminy, ka tsy nahazaka ny vesatra no nahatonga ny loza. Tsy misy ny aina nafoy, fa miisa dimy ny olona naratra, ary tapaka tanteraka ny fifamoivoizana. Efa mandeha ny fanadihadian’ny manam-pahefana.
Mampiasa ny “application Spatial monitoring and reporting tool” (SMART) ny polisinala hanamafisana ny fitantanana ny ala mando manodidina ny COMATSA. Handray anjara betsaka amin’ny fiarovana ny varika ihany koa ity fitaovana ity noho izy ahafahana manara-maso ny tsindry misy ao anaty ala sy mitahiry ny torohay rehetra mahakasika ny varika.
Efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana eo amin’ny PK 485+500, RN 6, eo Antsakomanondro. Nihotsaka ity fivilian-dalana ity, vokatry ny ora-nikija, ny zoma 20 oktobra teo ary efa narenin’ny orinasa Colas. Marihina fa mampitohy an’Ambanja sy Ambilobe ity lalana, RN6, ity.

Partager sur: