Zotram-pifidianana : mafana ny rantsamangaikany ny Ceni

“Ny maha zava-dehibe izao fanofanana ny mpampiofana izao, ahazoana mahafantatra ny votoatin’ireo antontan-taratasy sy rindrambaiko. Izy ireo ihany koa no hampiofana ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana”. Io no nambaran’ ny filohan’ny Ceni, Andria­narisedo Dama Arsène, nanomboka ny fanofana ireo rantsamangaikan’ny Ceni tany Mahajanga, faritra Boeni, afakomaly, izay nifarana omaly. Iankinan’ny fahombiazan’ny fifidianana ny fanofanana. Mitaky ny fifidianana ho azo antoka sy hoeken’ny rehetra ny Ceni. Miainga amin’ny fifehezana ny fampiasana ny antontan-taratasy sy ny rindrambaiko ary ny fikirakirana ny ara-kajy mirindra izay fampahombiazana ny zotram-pifidianana izay.
Ao anatin’ny fangaraharana tanteraka ny asan’ny Ceni, manaja ny maha mahaleo tena azy ary mitandro sy mitandrina ny tsy fombana ny atsy na ny aroa amin’ireo kandidà mirotsa-kofidina. Anisan’ ny soatoavin-dry zareo koa ny fanaovana ny asa amin’ny maha matihanina na amin’ny fihetsika, na fomba fiasa, na fomba fiteny… Ny 71% amin’ ny karatry ny mpifidy no efa voazara any amin’ny faritan’i Mahajanga. “Entano ny mpifidy hahazo ny karatry ny mpifidy”, hoy ny hafany ho an’ireo rantsamangaikan’ny Ceni any an-toerana. Mba hanefa ny adidiny amin’ny fifidianana ny mpifidy amin’ny 16 novambra.

Mila manao fanentanana mpifidy ny rantsamangaika mba hampiakatra ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana.

R. Nd.

Partager sur: