Namoaka fanambarana ny fitantanana foibe ny fadintseranana (DGD) eto Madagasikara, omaly 25 oktobra. Ampahafantarina ny besinimaro sady manamafy fa misokatra tsy ankiato amin’ny andro sy ora fiasana mahazatra ny birao rehetra manerana ny Nosy.
Tsiahivina fa nisy ny fe-potoana nomen’ny sendikàn’ny mpiasan’ny fadintseranana 72 ora, mitaky hifandinika an-databatra boribory ireo mpanao politika hitady vahaolana mahakasika ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Rehefa nodinihina anefa, rafitra fehezin’ny lalàna hitsinjo ny zo sy ny tombontsoan’ny arakasa ny andraikitry ny sendikà, fa tsy tokony hitsabaka amin’ny raharaha politika. Hany ka lasa fanararaotan’ny hetsika politika ny hetsika sendikaly.
Rafitra saro- pady
Tsy ara-dalàna, noho izany, ny fitokonana kasain’izy ireo hatao, koa ho anisan’ny tsy manara- dalàna izay rehetra mikasa handray anjara amin’izany, ka tsy maintsy handraisana fepetra.
Rafitra saro-pady ny sampandraharahan’ny haban-tseranana sy ny hetra. Fanoitran’ ny toekarena satria mampidi-bola ny fanjakana. Miantoka ny fampandehanan-draharahan’ny firenena ankapobeny. Misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-pirenena ny fisian’ireo rafi-panjakana roa ireo.
Njaka A.