Voatsipaka fanindroany. Namoaka ny fanapahana ny eo anivon’ny HCC, omaly, manoloana ny fangatahana nataon’ny kandidà Raobelina Andry ny amin’ny tokony hanemorana ny fifidianana. Nambara ho anton’izany ny tranga tsy azo anoharana. Nisongadina tamin’ny fanamafisan’ny etsy Ambohidahy fa tsy miova ary mbola voatana hatrany ny datin’ny alakamisy 16 novambra hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany.
Tsiahivina fa nametraka fitarainana teny amin’ny HCC ny mpisolovava ny kandidàn’ny ARB, tamin’ity herinandro ity, noho ny taratasin’ny mpitsabo atsy amin’ny Nosy Maorisy milaza fa tsy afaka mandeha fiaramanidina io mpirotsaka hofidina io. Anton’izany ny toe-pahasalamany noho ny tsy mbola fahasitranan’ny masony sy ny nanaovana fandidiana izany.
Efa fanindroany izany izao ny nanaovan’ny ARB ny fangatahana. Midika izany fa tsy azo noraisina izany ny fitarainana nataon’ity kandidà ity, teny amin’ny HCC.
Synèse R.