Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony. Voatendry ho governora hisahana ny faritra Analamanga, mpisolo toerana, Andriatsimihetry Ramesy Farasoambolanoro Marie Jackia. Efa nisahana ny andraikitra maha sekretera jeneralin’ity faritra ity ny governora misolo toerana, nanomboka ny 11 avrily 2022. Tsy vahiny amin’izany asa eo anivon’ny fiadidiana ny faritra izany ny tenany.
Tsiahivina fa efa nametraka ny taratasy ho fialany amin’izany andraikitra izany kosa Rasoamaromaka Hery, tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Natolotra ny governemanta izany ka izao nankatoavina, tamin’ny alalan’ny filankevitry ny ministra, izao ka nirosoana ny fanendrena ny mpisolo toerana.
Anisan’ny antony nametrahan’ny sekretera nasionalin’ny TGV fialana ny mba hahafahany miatrika sy manatanteraka ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena, hampandaniana ny kandidà laharana fahatelo, ny filoha teo aloha, Andry Rajoelina.
Synèse R.