Miandry ny “visa de long séjour” avy amin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), amin’ny hifindrany any Frantsa. Hanampy azy amin’ny fahazoana izany ny minisiteran’ny Fanatanjahantena.
Eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, Razafindranaivo Koloina (Rakool), mpilalaon’ny CFFA teo aloha. Miandry ny fahavitan’ny «visa de long séjour»-ny izy, hahazoany miverina any Frantsa, ka hilalaovany ao amin’ny Athletic Club Arlesien, Regional 1 (6è Division).
Tsiahivina fa efa vita sonia ny 20 septambra lasa teo, ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta ka haharitra hatramin’ny 30 jona 2024. Azo avaozina izany, arakaraka ny vokatra sy ny dingana vitan-dRakool, ao amin’ity ekipa hilalaovany ity. Efa mandray karama ny tenany saingy tsy mbola tafiditra ao anatin’io fifanarahana io, ny vady aman-janany. Nambarany fa izy ihany aloha no mandeha mialoha vao manaraka azy ny fianakaviany.
Araka ny loharanom-baovao, horaisin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena an-tanana ny fikarakarana io «visa de séjour» io, satria sarotsarotra ny dingana atao hahazoana izany. Tsiahivina fa «visa touristique» no nandehanan-dRa-Kool, nifindra tany amin’ity ekipa frantsay ity. Efa tapitra izany ka tsy maintsy havaozina, mba hampilamina azy, amin’ny filalaovany any an-toerana. Io “visa” io ihany koa no hahazoany mangataka taratasy fahazoan-dalana miasa.
Marihina fa teratany malagasy, ny mpitam-bola ao amin’ity ekipan’ny Arlesien ity ka tombony ho an-dRa-kool ny fisian’izany. Nolazain-dRakool fa efa niatrika lalao 2 izy tamin’ny fotoana fohy nandalovany tao amin’ny Athletic Club Arlesien, ka nahatafidirany baolina miisa 4. Miandry ny valin’io “visa” io izany ny tovolahy satria efa ao anaty fifaninanana tanteraka ny ekipany, amin’izao fotoana izao.
Tompondaka