Nahazo vahana am-polo taona maro ny sehatra ara-toekarena tsy manara-dalàna eto Madagasikara. Raha tsorina ny famaritana azy dia tsy misoratra any amin’ny fanjakana. Mibahan-toerana voalohany amin’ izany ny karazam-barotra rehetra.
Manome asa betsaka sy fidirim-bolan’ ny olona ny sehatra tsy ara-dalàna eto Madagasikara, indrindra ny varotra. Araka ny famaritan’ny Institut national de la statistique (Instat), «fihariana mampidi-bola nefa tsy misoratra amin’ny fanjakana, tsy misy nomerao momba azy ny sehatra tsy ara-dalàna». Manana endrika fihariana ara-toekarena indrindra ny karazam-barotra ny ankamaroan’izy ireo. Anisan’ izany, ireo varotra amoron-dalana hatramin’ny varotra fiarakodia, trano sy tany. Eo ihany koa ny karazam-barotra atao amin’ny finday.
Anisan’ny anatin’ny fiarahamonina malagasy ny fihariana tsy manara-dalàna sady manome asa, fifanakalozana ara-barotra, ahafahana manao tahiry eo anivon’ny fianakaviana, fitrandrahana vokatra voajanahary samihafa, sns. Azo soratana amin’ny fanjakana ny karazan’asa atao. Tsy miafina amin’ny fanjakana ny varotra sasany, saingy misy tsy manara-dalàna amin’ireo. Varotra kely hatramin’ny lehibe indrindra, ahitana sokajin’olona rehetra mitrandraka. Misy, ohatra, olona tsy nahavita fianarana firy maharesy ny manana mari-pahaizana. Anisan’ny sehatra ara-barotra iray saika hita hatraiza hatraiza ny varotra hani-masaka : vary sy laoka, kafe sy dite, mofo gasy…Mahavonjy olona maro ny karazam-barotra tahaka izao , ny mpivarotra sy ny mpividy. Samy mifanojo amin’ny rafitry ny toekarena misy, arakaraka ny fahefa-mividy.
Mampiroborobo ny tsy ara-dalàna
Mitombo 20 % isaky ny dimy taona, raha kely indrindra, ny olona miasa anatin’ny tsy ara-dalàna noho ny tsy fisian’ny tolotrasa firy. Maro ny olona afaka miasa voakasik’izany.
Ny fironana mankany amin’ny tsy ara-dalàna no vahaolana tokana hitan’ny Malagasy maro hiatrehana ny fiainana andavanandro. Araka ny hita dia ny varotra, fambolena sy fiompiana no voadona mafy amin’io fihariana io. Saingy manome 24 % amin’ny harinkarena faobe.
Ny «tsy mampihodina» ny toekarena malagasy hatramin’ny fiandohan’ny krizy tamin’ny 2009, sy ny fahasoratana eo amin’ny famoronana asa no mampiroborobo ny tsy ara-dalàna. Nihena ihany koa ny tahan’ny asa any amin’ny fanjakana sy amin’ny sehatra tsy miankina, nefa mitombo hatrany ny isan’ny mpitady asa vaovao, 400 000 hatramin’ny 500 000 isan-taona ny vao nahavita fianarana manana mari-pahaizana. Raha misy ny tolotrasa, olona efa manana traikefa matetika no takina. Ireo vao nahavita fianarana, betsaka mirona any amin’ny tsy ara-dalàna. Izay ihany koa no mahakely fidiram-bola, manome vahana ny kolikoly amin’ny endriny maro, sy mampitombo ny tsy anasa.
Fanamby hidirana amin’ny ara-dalàna
Efa fanamby nataon’ny firenena afrikanina mpikambana ao amin’ny OIT (Organisation internationale du travail) tamin’ny taona 2015 ny miala amin’ny sehatrasa tsy ara-dalàna hidirana amin’ny ara-dalàna. Paikady vaovao nosoritana tamin’izany eo amin’ny lafiny asa, ary anisan’ny namaritra izany i Madagasikara. Kendrena ny hisian’ny asa mamokatra manamarika an’i Afrika izay mbola nohamafisina tany Abidjan, ny taona 2019. Nambara tamin’izany izay laharam-pahamehana aty Afrika. Tanjona ny hanatsarana ny tontolon’ny asa ankapobeny hanodinana ny harena aty Afrika. Nankatoavin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka ny fanambarana avy amin’ny Sadc. Nohamafisin’ny filoha afrikanina izany tamin’ny fivorian’ny Vondrona afrikanina (UA), ny taona 2015. Kendrena miandalana ny hanatsarana ny toekarena hiarovana ny lafiny sosialy sy ny mpiasa, saingy tsy tanteraka izany amin’ny firenena maro aty Afrika.
Feno mpivarotra ny elakela-trano sy ny manodidina
Tsy latsaky ny 25 000 ny isan’ny mpivarotra madinika amoron-dalana sy anelakela-trano eto amin’ny boriborintany enina (06) , Antananarivo Renivohitra. Feno mpivarotra Analakely, 67 ha, Behoririka, Ambodin’Isotry, Anosibe …
Nitombo ny mpivarotra amoron-dalana, indrindra rehefa nanomboka ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus tamin’ny 2020, nahavery asa olona maro. Teo koa ny fandaminana isan-karazany sy ny fanamboarana fotodrafitrasa ho an’ny tsena eto an-drenivohitra, vao mainka nampitombo ny mpivarotra tsy ara-dalàna.
Ny zavatra hita matetika, ny fifandonana eo amin’ny mpiasan’ny kaominina CUA sy ny mpivarotra, fifanenjehana misy …Velon-taraina ireo mpivarotra, milaza fa antom-pivelomany ny asa fivarotana isan’andro. Etsy an-daniny ny kaominina, manana ny fandaminana ataony amin’ireo faritra voarara eto an-drenivohitra.
Nanatontosa : R. Mathieu