Fikarakarana ny fifidianana: nahazo vola fanampiny indray ny Ceni

Mitohy ny fanohanana ho amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Anisan’ny notapahin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Mahazoarivo, ny didim-panjakana amindrana ny sora-bola fanampiny ho an’ny Ceni.

Mitentina 3 947 190 000 Ar avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ho an’ny tetibola 2023 izany ary natao indrindra hikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena. Nialoha izany, efa nahazo fa­matsiam-bola avy amin’ny Koreanina koa ny Ceni, ny he­rinandro teo. Mitentina 135 000 dolara izany ary natolotra ho ao amin’ny tahirimbolan’ny Pnud. Natao hanampiana ireo fampitaovana eo amin’ny biraon’ny Ceni izany, indrindra ny kajimirindra hampiasaina amin’ny fifidianana. Nanamafy ny fahavononany amin’ny fanohanana ny zotram-pifidianana ho eken’ny rehetra, mangaraharaha ary azo itokisana ry zareo Koreanina.
“Efa any amin’ny 78 % amin’ny olompirenena tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy no efa mahazo karatry ny mpifidy amin’izao fotoana izao”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tany Mahajanga.

Marisika amin’ny fifidianana ny mpifidy

Ny dikan’izay, efa marisika hiroso amin’ny fifidianana ny olompirenena. Ny amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ohatra, efa 98% no efa nahazo karatry ny mpifidy. Misy koa toerana hafa latsaky ny 60%. Faritra dimy no latsaky ny 70%. Salanisa ta­min’ny 20 oktobra izay, fa efa nivoatra izay salanisa izay, araka ny fanazavany.
Tsy maintsy misy karapanondro miaraka amin’ny karatry ny mpifidy kosa no entin’ny mpifidy mandatsa-bato, araka ny And. 154 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana. Milaza kosa anefa ny And. 49 sy 50 fa raha misy ny fahaverezan’ny karatry ny mpifidy, na mangataka solonkaratra ny mpifidy na mangataka taratasy fanamarinana hahazoany mandatsa-bato.

R. Nd. sy i Synèse R.

Partager sur: