Hetsiky ny kandidà 11 : Rava tsy lera ny kabary sy ny famoriam-bahoaka

Noravan’ny mpitandro filaminana ny kabary sy ny famoriam-bahoaka nataon’ireo Kan­didà 11, omaly, teny Ampitatafika. Toy ny mahazatra ihany ny fihetsik’ireo kandidà, nandositra nandeha na­monjy ny toerana any Imeri­tsiatosika izy ireo ka navelany teo ny mpanara-dia azy. Ireo olona manaraka azy ireo kosa, nody namonjy ny tokantranony avy.
Marihina fa tsy miova ny tanjona kasain’izy ireo hatao, tsy manaiky ny firotsahan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry Nirina. Raha hiverenana ny zava-nitranga teny an-toerana, tsy nanaraka ny fotoana nifanomezana ny mpitarika, teny am-piandohana. Raha tokony teny Anosizato izany dia novaina teny Antani­menakely Ampitatafika. Tsara marihina fa nitohy tany Imeri­tsiatosika indray ny hetsik’ireo mpiakanjo fotsy rehefa vita ny teny Antanimenakely.
Ankoatra izay, tsy nanaraka ny dian’ny mpanohitra in­tsony ny Kandidà laharana faha-13. Izy sy ny Kandidà laharana fahatelo no manao fampielezan-kevitra amin’izao fotoana izao.
Etsy ankilany, ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry Nirina, mandresy lahatra ny vahoaka hiandry ny fifidianana am-pitoniana, raha toa ka mihizingizina tsy hanao izany ireo 10 ambiny. Tsiahivina fa tsy nisy ny aina nafoy sy ny olona maratra. Miezaka manala ny vahoaka anaty korontana ny mpitandro filaminana.

Randria

Partager sur: