Kitra malagasy : noraisin’ny filohan’ny Fifa ny filohan’ny FMF

Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Nanatanteraka fihaonana voalohany tany Paris, ny filohan’ny Fifa, Gianni Infatino sy ny filoha vaovaon’ny FMF, Randria­ma­nampisoa Alfred. Nanazava misimisy kokoa ny fandaharanasany tamin’ity lehiben’ny baolina kitra maneran-tany ity ny tenany. Tao ihany koa ny resaka mahakasika ny fanalefahana ny sazy, mba hiverenan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Fifa ho an’ny FMF.
Nangataka tamin’ny Fifa ity filohan’ny FMF ity, mba hanomezan’izy ireo fiara manokana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Marihina fa ity no fihaonana ofisialy voalohany teo amin’ny filohan’ny FMF vaovao sy ny lehiben’ny FIFA. Tanjona ho an-dRandriamanampisoa Alfred, ny hiatrehan’ny ekipa nasionaly malagasy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa efa manomboka mandresy lahatra ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany, handrafitra ny Barea ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô.

Fitia Randria

Partager sur: