Mandeha avokoa ny kajikajy sy ny paipaika politika amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Indrindra amin’ny fiatrehana fifidianana… Na mahavoa ny tena, na voa roa. Ady fiady io, lazon’ady. Saingy arakaraka ny fifandanjan-kery, ny tombontsoa iadiana na arovana… Aiza ho aiza? Na mby amin’ny hoe: amin’izay atao rehetra, tsinjovy ny farany. Azo antoka ve? Na ananana faharetana, atokisan-tena, tsy ivadibadihana…
Amin’ireo kandidà amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao, misy ny mitsapatsapa fotsiny izay aleha sy atao: mety zavatra hafa no tena kendrena, fa tsy hitondra firenena? Misy no adala sy liam-pahefana fatratra, ka manao izay hahazoana izany amin’ny fomba rehetra. Ao ny manaraka ambokony izay heverina andehanan’ny maro ho marina, mety, mahasoa… Tsy mihetsika sy tsy miteny izy amin’izany: mizaka sy miaritra fotsiny fa efa tafiditra ka saro-miala, nefa hoe hampihavana, ohatra.
Amin’izany, tsy ilaozan’izay taman-dratsy amin’ny fianteherana lava amin’ny any ivelany isaky ny mihetsika: miandry na manantena inona? Misy ny efa tsy manantena fa manahy tena, te hitsapa ny heriny sy tanjany nefa tsy afa-manoatra amin’ny tamin’ny fanapahan-kevitra na lalana nijabajabana tsy fantatra izay hiafarany. Izany rehetra izany misy antony sy dikany ary vokany politika avokoa?
Tsy inona fa ny fiheveran’ny sasany fa azo iverenana na averina ny tantara. Izay ilay hoe krizy na korontana politika. Tsy tongatonga ho azy fa misy paipaika sy kajikajy politika. Hanao ahoana? Ho matim-bela izay tsontsa paika amin’izao, tsy mahalala na tsy mahazo antoka izay hiafarana fa mitsapatsapa, manaraka ambokony, za-dratsy… Mitsoka mankaiza ny rivotry ny tantara amin’izao? Na ny fironan’ny vahoaka maroa anisa…
R. Nd.