Tanterahina eto Antananarivo sy any Mahajanga, ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, ny «Madagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha-18, hetsika lehibe eo amin’ny sarimihetsika, indrindra ny sarimihetsika malagasy. Malagasy mpanatontosa miisa 8 no hita hifaninana ao anatin’ny 39 mpandray anjara, ary ahitana azy ireo avokoa ny sokajim-pifaninanana rehetra, ankoatra ny efa fandraisana anjara amin’ny fifaninanana nasionaly, izay natokana ho an’ny Malagasy mpanatontosa.
Tsy mena-mitaha amin’ireo mpanatontosa sarimihetsika aty Afrika ny eto Madagasikara. Ankoatra ireo efa lasa lavitra sy manana ny maha izy azy ankehitriny. Nipoitra indray ny talenta vaovao eo amin’ny fanatontosana sarimihetsika. Anisan’ny hifaninana ao anatin’ny sokajy “Panafrican fiction competition”, mandritra ny MFF, andiany faha-18, ny sarimihetsika “Mazav’ alina» notontosain-dRamaholison Feno Mahery. Ao amin’ny sokajy “Panafrican Documentary Competition” ny “Never too late”, horonantsary fanadihadian-dRandrianomearison Nataniela. Ny “Rough World”, notontosain-dRandriamahaly Sitraka kosa no misolontena antsika ao amin’ny sokajy “Panafrican animation Competition”.
Manomboka liana amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, indrindra ny fanatontosana ny Malagasy. Mitohy hatrany anefa ny ezaky ny tomponandraikitra amin’ny fampiofanana sy fampivelarana azy ireo, araka ny nambaran-dRazanajatovo Laza, talen’ny “Madagascourt Film Festival”.
Lin