Miantso fiaraha-miasa ny taranany…: hisy fampirantiana homanina mahakasika an-dRakoto Frah

Mitoetra mandrakizay ny lazany. Saingy tiana hampahafantarina bebe kokoa Rakoto Frah, ka izay no himasoan’ireo mandrafitra ny tarika Rakoto Frah Junior amin’izao fotoana izao.

“Ho antsika izay manana ny sarin-dRakoto Frah, mba miangavy fiaraha-miasa aminareo izahay”. Hafatra mipetraka ao amin’ny pejy Facebook, an’ny tarika Rakoto Frah Junior io. Miantso fiaraha-miasa amin’ny olon-tsotra izy ireo, izay rehetra mety manana saripika na horonantsary misy an-dRakoto Frah.
“Hisy tetikasa goavana homaninay, ka ampahany ao anatin’izany ny fampirantiana. Vitsy dia vitsy anefa ny sarin’ingahirainy aty aminay ka izay no mba hiantsoanay ireo izay manana any aminy any. Mety avokoa na sariny irery, na miaraka amina mpanakanto na mpankafy hafa, na teto Madagasikara na tany ivelany, na mitsoka sodina na mihira. Tena mba miangavy izahay amin’ny fiaraha-miasantsika”, hoy i Ra-Pà, taranak’ity andrarezina ity, ary mitondra ny tarika Rakoto Frah Junior.
Efa 22 taona tokoa izaho no nandao ny tany Rabe­zaoza Philibert, na Rakoto Frah. Azo lazaina fa Malagasy mpanakanto nanana ny lazany indrindra maneran-tany ity andrarezin’ny fiangaliana ny sodina ity. Na ireo tsy mbola teraka tamin’ny fotoana nahafatesany aza, mahalala ny anarany sy ny feon-tsodin’izany Rakoto Frah izany. Name­la mamy Rakoto, ka tian’ireo taranany hampahafantarina bebe kokoa izy sy ny lalana nodiaviny ary ny sanganasany.
“Aorian’ny fampirantiana, mikasa hamoaka boky mikasika ny fiainany manontolo izahay. Toa ny ahoana ny fahazazany? Ny Nidirany teo amin’ ny mozika? Ny niatombohan’ny lazany? Ny niakarany teo amin’ny faratampon’ny laza? sns”, hoy hatrany Ra-Pà. Raha misy terem-panahy ka manana ireo tahirin-tsary, iangavian’izy ireo hifandray ami­ny ao amin’ny pejy facebook : “Tarika Rakoto Frah junior ofisialy”.

Zo ny Aina

Partager sur: