Nitsoaka zandary : maty voatifitra ilay mpangala-boamaso

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy ny iray tamin’ireo roa lahy nangalatra voamaso tao Ejeda, distrikan’Ampanihy, afakomaly. Niaiky heloka nataony nandritra ny famotoran’ny zandary azy io olon-dratsy io fa izy no tompon’antoka tamin’ny fanesorana ny mason’ny renim-pianakaviana roa tao an-toerana. Ny namany iray izay voasambotra niaraka taminy. Voalaza ho mpiray tsikombakomba fotsiny ihany ity farany. Lehilahy voatonona anarana kosa no voatondro ho mpaniraka. Nanaiky hitondra ny mpitandro filaminana any amin’ny toerana misy io atidoha nikotrika ny halatra voamaso io araka izany i Esoatilike. Nanao tongotra an-katoka anefa izy teny an-dalana ka maty voatifitry ny zandary. Marihina fa voasambotra ny 16 oktobra teo ireto mpangalatra voamaso ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: