Razanatoandro Solofo : «Ny fifidianana ihany no vahaolana»

Toy izao ny vontoatin-dresaka nifanaovana tamin-dRazanatoandro Solofo, filohan’ny Antoko AKFM.

Gazety Taratra (*): Manahoana ny hevitry ny AKFM manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny?

Razanatoandro Solofo (-): Tsiahiviko aloha fa efa tamin’ny 10 novambra 1958 no nivondrona ny antoko. Olona 10 tamin’izany fotoana no nanorina ny AKFM. Nanohitra ny fitondrana neokolonialy izahay tamin’ny Repoblika voalohany. Ny Repoblika faharoa dia nanohana izahay satria nitovy ny tarigetra dia ny Sosialisma. Nanohitra izahay nandritra ny Repoblika fahatelo, tapany voalohany, satria noravain-dry zareo daholo ny zava-bita teo aloha. Fa niverina nanohana izahay ny tapany faharoa satria niverina ilay notohananay tany aloha tany. Tamin’ny Repoblika fahefatra moa dia nanohana azy izahay nefa nivadi-belirano izy ka lasa mpanohitra izahay. Avy eo moa niverina ny filoha Andry Rajoelina dia manohana azy izahay satria ny tarigetrany sy ny fandaharanasany dia tsy mifanalavitra mihitsy amin’ny antoko AKFM, araka ny fanapahanay, nandritra ny kongresy faha-16 ary izy no hitanay fa lalana hampandroso ny firenena.

Ankehitriny, efa mipetraka ara-dalàna avokoa ny fototra rehetra hisian’ny fififidianana marina eto Madagasikara ary manaja tanteraka ny Lalàm­panorenana. Rafitra efa nolalovan’ireo kandidà 13 nandrotsaka ny filatsahan-kofidiny ary neken’ny HCC. Avy eo koa mbola samy nanao ny antsapaka laharana teny amin’ny Ceni ka tsy tokony hisy hihemotra intsony. Iza moa no tsy mahita ireo fotodrafitrasa marolafy vitan’ny filoha teo aloha izay kandidà ankehitriny? Ka noho ireo ezaka ireo, raiki-tahotra ny sasany, nefa dia ny fifidianana ihany no tokony hitsarana azy. Ka izahay AKFM dia hiezaka hitaona ny olona hampandany azy.

*Manana ny olony koa ireo vondron’ny kandidà tsy manaiky ny fifidianana, ahoana ny hevitrareo?

– Manana ny olony tokoa ireo kandidà 10 sisa midina an-dalambe ireo, satria ny iray tamin’izy ireo efa lasa manao propagandy fa dia aleo ny vahoaka no hitsara amin’ny fifidianana. Hatramin’izao, mbola tsy hita izay progra­man’izy ireo fa dia mitokona fotsiny izao, satria misy tahotra ny tsy ho lany ihany ao amin’izy ireo ka tsy sahy hiatrika ny fifidianana.

* Tsy misy hevitra hitovizanareo AKFM amin’ireo vondron’ny kandidà mihin­tsy ve?

– Na ny HCC na ny Ceni dia tsy nitsangantsangam-poana fa araka ny lalàna no nametrahana azy ireo ary ahitana ireo solontena avy amin’ ny rafitra samihafa ka tsy afaka hihemotra io fifidianana amin’ny 16 novambra io.

*Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ireo vondron’ny kandidà hijery akaiky ny raharaham-pirenentsika, ny hevitry ny AKFM?

– Raha ny marina dia tsy tokony hidiran’ny sehatra iraisam-pirenena ny tokantranon­tsika kanefa moa dia fomba fiadin’ireo foana io miantso vonjy iraisam-pirenena io. Andaniny, mihaino ireo sehatra iraisam-pirenena ireo. Amin’ny maha diplomaty azy dia mihaino izy fa tsy afaka mijabaka. Ary efa nanambara mazava ireo masoivohon’ny firenena samihafa eto amintsika fa tsy azo ihodivirana io fifidianana amin’ny 16 novambra io. Eto izahay dia milaza fa mba hangataka fihaonana amin’ireo sehatra iraisam-pirenena hanazava tsara fa efa tafapetraka mazava sy ara-dalàna avokoa ireo rafitra rehetra hirosoana amin’ny fifidianana marina na dia efa fan­tar’izy ireo aza izany.

* Miroaroa saina ihany ny vahoaka ankehitriny, inona no hafatry ny antoko AKFM?

– Ny vahoaka malagasy dia tsy tia korontana intsony ary efa leo krizy, ka miantso izahay hoe aza mihambahamba fa ny fifidianana ihany no vahaolana. Mandehana mifidy ary araho tsara ny fizotry ny fifidianana, fidio Andry Rajoelina. Aza manaiky fi­hantsiana fa izay no tadiavin’ ny sasany hisian’ny korontana tsy hahavanona ny fifidianana.

Randria

Partager sur: