Tsy hiandry ela fa vao mifarana ny fifaninanana nasionaly N1A, amin’ny fiantombohan’io herinandro io, hiatrika ny fanomanantena amin’ny “Road to BAL, Élites 16” avy hatrany, ny Club omnisport de la police nationale (Cospn) Madagasikara, araka ny nambaran’ny filohan’ny Cospn, Samy Harison Olivier. Mafy, hoy izy, ireo mpifanandrina amin’ny Cospn, ao amin’ny vondrona B. Efa nandalo teo ambany mason’ny mpilalaon’ny Cospn avokoa ireo ekipa ireo, tamin’ny andiany faran’ny “Road to BAL”. Na eo aza anefa ny haavo teknika izay tena avo, tsy hanaiky lembenana ny Cospn fa tena hanomantena mafy. Hohamafisina ny “passe” sy ny “tirs” ny mpilalao tsirairay, raha ny nambaran’ny filohan’ny Cospn hatrany. Tsy hisy ny fiantsoana mpilalao vaovao sy mpila ravinahitra fa ireo roa lahy efa nanampy ny Cospn ihany no hanatevin-daharana. Tsiahivina, ny Ferroviario da Beira avy ao Mozambika, ny City Oilers avy any Ouganda ary ny klioban’ny Zimbabwe JBC no iray vondrona amin’ny Cospn Madagasikara. Fifaninanana, dingana faharoan’ny fifanintsanana ho an’ny ” Road to BAL”, hatao any Johannesburg, Afrika Atsimo, ny 14 hatramin’ny 19 novambra izao. Araka ny fitsipiky ny lalao, izay ekipa roa voalohany ao amin’ny vondrona misy azy no hahazo ny tapakila hiatrehana ny “Road to BAL” 2024, izay hatao any Rwanda. Mila mahazo fandresena roa ny Cospn amin’ity fifaninanana ity, raha te hahazo toerana tsara, araka ny fanazavan’
ny mpanazatran’ny Cospn, i Julien Chaignot.
Mi.Raz