Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny solontena maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), eto amintsika, i Issa Sanogo. “Ilaina ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Tokony hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena izany”, hoy izy, tamin’ny fanamarihana ny Andron’ny ONU. Nanteriny fa ilaina ny fanajana ny lalàna velona amin’ny firenena iray hampirindra sy hisorohana korontana. Notsiahiviny fa efa nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena i Madagasikara ka tokony hisitrahana ny zon’ny tsirairay izany. 75 taona rahateo ny nanaovana fanambarana momba zon’olombelona, maneran-tany ary zava-dehibe ny voarakitra ao anatin’izany. “Tsy misy ny fampandrosoana vanona raha tsy mitoetra ny filaminana… Ilaina ny fanajana ny lalàna ho an’ny rehetra anatin’ny fanajana ny zon’olombelona hiantohana ny filaminana”, hoy ihany izy. Notsiahiviny fa anisan’ny ijoroan’ny ONU ny tokony hanajana ny tany tan-dalàna, antoky ny filaminana sy ny fivoarana. Nentaniny ny fitondram-panjakana malagasy, sy ireo hery rehetra eto amin’ny firenena, hanohy ny ezaka ho amin’ny fampivoarana miaraka amin’ny fikarohana vahaolana eo amin’ny sosialy sy ny politika.
Etsy andaniny, nentaniny ny rehetra hanao laharam-pahamehana ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao.
Synèse R.