SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina ny talata lasa teo ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des Champions 2024». Nandresy ny Braga, Portugal tamin’ny isa 1 no ho 2 ny Real Madrid FC, Espagne. Mbola na­hatafiditra baolina indray ilay anglisy mpilalao, Belling­ham, milalao ao amin’ny Real Madrid.

Afaka roa andro, hifarana tanteraka ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Rugby. Hiady ny amboara lehibe amin’izany, i Afrika Atsimo sy i France ny sabotsy ho avy izao, ao amin’ny Stade France, Paris. Marihina fa samy haka ny anaram-boninahitra faninefany avy izy roa tonta ireto.

Sadio Mané, Senegaley mpilalao baolina kitra no nividy ny klioba ny Bourges France, mifaninanana amin’ny National 2. Tsiahivina fa anisan’ireo kintan’i Séné­gal, i Sadio Mané ary efa nilalao sy nifanandrina tamin’ ny Barea de Madagascar teo amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina.

Ny omaly alarobia, nanomboka nampiseho ny traikefany i Wembanyama, Frantsay mpilalao basikety any Etats-Unis, NBA. Ny klioban’ny Spurs San Antonio no hilalaovany ankehitriny. Marihina fa ity no Frantsay nandimby an’i Tony Parker, mpiray tanindrazana aminy ao amin’ity ekipa ity.

Partager sur: