Manoratra ny mpanoratra. Mamoaka boky ny mpamoaka boky. Lamina ankapobeny mialohan’ny hahatongavan’ny boky eny am-pelatanan’ny mpamaky. Toerana ifaneraseran’ny mpanoratra sy ny mpamoaka boky ankehitriny ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy, noho ny hetsika « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ».
Amin’ny lafiny iray, misongadina be ny ezaka ataon’ny mpanoratra amin’ny fampahafantarana ny sanganasany. Tonga hatrany amin’ny famoahana boky. Saingy, « tsy tokony ho anjaran-dry zareo izany, raha misy sy mipetraka tsara ny rohim-boky », hoy ny mpanonta boky.
Anisan’ny antony tsy mampazoto ny mpanoratra manatona mpanonta boky na editora ny fiheverana fa « ho lavitra ny lalan-kaleha sy mety hanova ny vidim-boky ny fandalovana any amin’ny mpanonta boky na ny editora », raha ny fanazavan’ny mpanoratra.
Na ny mpanoratra, na ny editora samy niaiky fa : « amin’ny ankapobeny, tsy mbola voahaja eto Madagasikara ny rohim-boky, satria, mbola marefo ny toekaren’ny firenena » !
HaRy Razafindrakoto