TARATRY ny KANTO

« POLA 2024 ». Anisan’ireo asa soratra hifaninana ao anatin’ny « Prix Orange du livre Africain 2024, (POLA) » ny « Za koa » an’i Hary Rabary, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Fondation Orange. Raha tsiahivina, Malagasy mpanoratra, Michèle Rakotoson no nandrombaka ny amboara, tamin’ny andiany farany, tamin’ity fifaninanana ity.
Fanentanana vaky boky. Teny Amboditsiry, boriborintany fahadimy, no namaranana ny hetsika fanentanana vaky boky sy atrikasa Angano. Ny Eja manana no nitarika izany atrikasa izany ho an’ny andron’ny omaly. Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny tomponandraikitry ny hetsika “Caravaniles” no nahatanterahana izao tetikasa izao.
Hitohy anio, amin’ny “Manavàtsa” ny fandaharam-potoanan’ny “Herinandron’ny Havàtsa-Upem” ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Antsa sy tafa amin’ireo mpanoratra am-perim-panoratana, ny maraina. Antsa sy seho an-tsehatra kosa ny tolakandro. Hanasa­na manokana ny mpianatra sy ireo mpikaroka momba ny tontolon’ny soratra
Velakevitra eny amin’nyAkademia Malagasy. “Ny hafatry Rainandriamampandry ho an’ny taranaka Mala­gasy” no lohahevitra iompanan’izany, anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hitarika izany Rabena­lisoa Ravalitera Jean sy Ranjatohery Harilala, samy mpanoratra, mpahay literatiora, mpahay tantara ary samy mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia Malagasy.

Partager sur: