Manodidina ny 88,86 dolara ny vidin-tsolika iray barila, omaly 26 oktobra. Nihena io vidiny io raha oharina ny herinandro lasa, satria efa tafakatra 92,88 dolara tamin’ny 19 oktobra. Tamin’ny iray volana lasa, ny 18 septambra kosa no ambony indrindra, nahatratra 94, 54 dolara.
Hankalazaina isaky ny 27 oktobra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny varika. Any Maromizaha Andasibe no hanamarihana izany, ao amin’ny Faritra Arovana, tantanin’ny Fikambanana mpanadihady sy mpikaroka mikasika ny varika (Gerp) eto Madagasikara. Maro ny hetsika atao amin’izany, entina hampafantarana bebe kokoa ny varika eto amintsika.
Hatao manomboka ny 5 ka hatramin’ny 26 novambra izao ny fitsangatsangana anaty baolina mafana (montgolfières). Mpizahatany no ho tonga eto Madagasikara hanamory ireo baolina mafana miisa fito. Handalo ny tanànan’Ampefy, Antsirabe, Ambalavao, Fenoarivo Andonaka, Isalo ary ny Allée des Baobabs ao Morondava ireo montgolfières.
Hanatsara ny fari-piainan’ireo tantsaha mpamokatra voankazo ao Antalaha ny milina fanamainana vokatra napetraka ao an-toerana. Tetikasa ho fampiroboroboana ny indostria eny ifotony sy ho fampakarana ny lanjam-bokatra. Hamaly ny filan’ireo tantsaha mivondrona ao anaty kaoperativa maherin’ny 50 ao an-toerana ity tanintseka ity.