Mampametra-panotaniana tanteraka ny foto-pisainana ataon’ny mpanao politika sasany. Ilay tsy lojika no zary lojikam-piainana eto Madagasikara. Ny marina havadika ho diso, ny mahitsy no lazaina fa mibiloka. Ny mpitarika aza toa mpitari-bato vilam-bava. Mivoy sy mitaky fampiharana lalàna, saingy mandika lalàna mibaribary. Tena manao fanahy iniana, sanatria manao fifampihantsiana.
Mazava ny fanambarana nataon’ny prefektioran’ Antananarivo, fa misy ny lamina. Tsy azo atao ny kivorivory
amin’ny toerana tsy azo hanaovana izany. Inona anefa ny zavatra misy? Tsy tahotra tsy henatra ry zalahy, manao izay danin’ny kibony amin’ny diabe sy ny famorian’olona tsy nangatahana fahazoan-dalana akory. Tao anatin’ny herinandro, ny ataony ihany no ataony. Misy mihaino ve ingahy prefet?
Milaza fa hitondra firenena. Manambara fa mangataka ny tany tan-dalàna sy fanajana ny lalàna fototra. Indrisy, mampirisika ny olona hikomy tsikelikely sy hihoa-pefy miandalana. Mampanahy ity resaka hetsika am-pilaminana ity. Impiry izay no efa tomefy olona, manodidina ny mpitandro filaminana? Misy ny mitady hirika ny handatsahana ireto farany anaty fandrika. Firifiry ireo mpanao fihetsiketsehana no efa manangan-tsandry sy milanja kibay, mitady « action ».
Rehefa nanapa-kevitra ny andaniny, ireo mpomba ny kandidà laharana faha-telo ny nivoaka ny kianjan’ny fifampihantsiana. Ireo mpidina an-dalambe efa leo ny andraso andraso lava no mivadika ho mpitady hetsika maherihery. Mila fitandremana lalina izany satria raha hifandona ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana no tena zava-doza. Tena ratsy ho an’i Madagasikara izany satria amin’izay fotoana fa handihy sy hitsinjaka ireo mpisintona lakolosy. Ireo boton’ny mpampisara-bazana sy mpitari-bato vilam-bava izany.
r.r