avy amin’ny tohodrano : An’arivony « mégawatts » ny herinaratra azo

Ankalazaina isaky ny 22 oktobra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny angovo (JME). Ho an’i Madagasikara, tany Nosy Be Hell Ville no nanatanterahina azy, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, ny 20 oktobra teo. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe, « Angovo madio sy maharitra ho an’ny rehetra ».
Mifandray ny fiampitana amin’ny angovo sy ny fampandrosoana maharitra, ho an’ny firenena andalam-pandrosoana, toa an’i Madaga­sikara. Ao anatin’izany ny famokarana angovo avy amin’ny harena voajanahary ma­dio sady miaro ny tontolo iainana afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro.
Miisa efatra ny tetikasa goavana atao eto amintsika, ny fananganana tohodrano any Volobe, Ranomafana, Antetezambaro ary Sahofika. Mandra-pahavitan’ny asa, ampiasaina ny angovo ampiarahana ny avy amin’ny ma­soan­dro sy ny solika. Miisa 46 ny foibe mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, mamokatra 50 MW tsirairay, apetraka any amin’ny distrika miisa 46. Azo ampiasaina andro sy alina, ka hampihena ny fampiasana solika.
Anisan’ny nisafidianana an’i Nosy Be nankalazana ny JME, ny fisian’ny mpizahatany maro, ka mila manana herinaratra ampy. Napetraka ny foibe avy amin’ny masoandro mamokatra herinaratra 1 MW, ny jiro Cobra koa ny arabe. Maro ny hetsika samihafa na­tao, toy ny fanentanana tany an-tsekoly, sy tamin’ny haino aman-jery tany an-toerana.

Njaka A.

Partager sur: