Basikety N1A: hiditra amin’ny ampahefa-dalana anio

Hiditra amin’ny dingana ampahefa-dalana anio, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety. Fifaninanana tontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Eo amin’ny sokajy vehivavy, lalao ampahefa-dalana voalohany, ny fifanandrinana eo amin’ny MB2All Analamanga sy ny Serasera Vakinankaratra. Hitohy amin’ny fifandonan’ny TGBC Betsiboka sy ny Fandrasa Matsiatra Ambony izany. Hihaona aorian’izay kosa ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra sy ny Ankaratra Vakinankaratra ary hamarana ny lalao ampahefa-dalana, eo amin’ny sokajy vehivavy, ny lalao eo amin’ny GNBC Analamanga sy ny Ascut Atsinanana, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Eo amin’ny sokajy lehilahy, mifandimby mitana ny laharana voalohany, ny ekipa 3 sangany, ahitana ny COSPN Analamanga, ny GNBC Analamanga ary ny Ascut Atsina­nana. Raha ny voka-dalao omaly, mbola nampiseho ny heriny hatrany ireto ekipa ireto. Nahazo ny fandresena nanoloana ny SBC Vakinankaratra, tamin’ny isa 78 no ho 44 indray ny COSPN ary nandavo ny ekipan’ny BCB Boeny tamin’ny isa 84 no ho 64 kosa ny Ascut Atsinanana, omaly. Hifarana ny alahady 29 oktobra izao ny fifaninanana nasionaly N1A 2023, lahy sy vavy.

Mi.Raz

Partager sur: