Ankavitsiana ny olona mahafantatra ny andraikitr’ireo matihanina amin’ny mari-trano eto Madagasikara. Miantoka ny kalitaon’ny fananganana trano izy ireny sy mampanara-penitra ny fotodrafitrasa miorina.
Vitsy mpahafantatra ny andraikitr’ireo matihanina amin’ny mari-trano (architectes) eto amintsika. Manan-danja ny asan’izy ireny eo amin’ny sehatry ny fananganana trano. Mamakafaka sy mandalina ny tetikasa izy ireo mba hananana fotodrafitrasa manaraka ny fitsipika, manaja ny tontolo iainana sy ny manodidina, manara-penitra sy lovainjafy. “Betsaka ny olona tsy mahafantatra ny asan’ny matihanina amin’ny mari-trano, antony tsy hanantonan’ny olona azy ireny”, hoy ny mpanolotsain’ny Holafitra matihanina amin’ny mari-trano eto Madagasikara (OAM), Razafindriaka Andry Nirina, omaly, tetsy Ambodivona, nandritra ny fankalazana ny faha-30 taona ny holafitra. Nambarany fa mbola latsaky ny 5% ny olona manatona mpahay mari-trano noho ny tsy fampahantarana azy ireny sy ny antony maro samihafa. Manodidina ny 2-12% ny vola lany amin’ny fananganana trano no tambin-karama (honoraire)n’ireo matihanina saingy miankina amin’ny tsirairay izany. Misy ireo miasa irery ao kosa ireo miara-miasa amin’ny olon-kafa, araka ny fanazavana.
Fenitra
Fananganana velarana mihoatra ny 150m2 no tsara indrindra hiantsoana ireo matihanina saingy afaka mijery ny latsak’izay izy ireny. Andraikiny voalohany ny miaro ny fenitra takin’ny tompontrano hisorohana ny fandaniana miompampana sy hahazoana vokatra manara-penitra. Tao anatin’ny 30 taona, manomboka manatona ireo matihanina amin’ny fananganan-trano ny tompona tetikasa teratany malagasy sy vahiny eto amintsika noho ny fahaizany. Fa indrindra ny kalitaon’ny asa takin’ny kaominina sy ny minisitera, araka ny fanazavana hatrany.
Henintsoa Hani