FANTINA sy FINTINA

Nivoaka ny didy manafoana ny fanendrena ny mpitarika ny Semimpiad, Ratefimiharison Richard sy i Famantanantsoa Razafimahazo tsy ho mpitarika ny sendikà eo anivon’ny Antenimierandoholona. Marihina fa miara-dia amin’ny SSM izy ireo momba ny hirosoana amin’ny dinika, mialoha ny fitokonan’ny mpiasam-panjakana.

Nihaona tamin’ny Antenimieran’ny andriana merina (AAM) ny Vondrona eoropeanina (UE), ny 23 oktobra teo, tetsy Isoraka. Naneho ny ahiahiny momba ny fifidianana ny “Andriambe”, Randria­mahary Hamon. Nivoitra tamin’izany ny lanjan’ireo raiamandreny ara-drazana manoloana ny fitadiavam-bahaolana manoloana ny raharaham-pirenena.

Miandry ny valintenin’ny prefet, momba ny Coliseum Antsonjombe hampiasaina ny sabotsy ho avy izao, ireo eo anivon’ny kandidà 10. Efa tamin’ny alatsinainy no nampiditra fangatahana alalana, hamory ny mpomba azy izy ireo. Tsy mbola nivaly anefa izany, hatramin’ny omaly ka manahy ireo kandidà sao iandrasana fotoana farany indray izany.

Naparitaky ny mpitandro ny filaminana ny hetsiky ny vondron’ny kandidà omaly rehefa tonga tetsy Namontana. Toerana nifaranan’ny hetsika rehefa niainga teny Anosy ary nihazo an’Anosibe. Nilaza izy ireo fa mbola hitohy ny tolona raha tsy tratra ny tanjona.

Partager sur: