Ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, misahana ny paikady amin’ny fitantanana ny akora simika ao Ampandrianomby, varavarana faha-115 no ahazoana ny fanazavana momba ny firamainty. Sampandraharaha mahakasika ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana ao Tsaralalana, varavarana faha-141 ihany koa afaka manome torohevitra.
Nanova endrika ny tanànan’i Tsiroanomandidy ireo fotodrafitrasa vaovao nentin’ny SENVH tao an-toerana. Anisan’izany ny fanavaozana ny ala madiro manakaiky ny kaominina. Eo koa ny fanavaozana ny biraon’ ny faritra izay nisongadina. Hiditra amin’ny fanatsarana ny telozoro misy ny zaridaina sy toeram-pilalaovana ny tomponandraikitra.
Nanao fanambarana ny sendikà 21 eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa mitohy ny asa fanabeazana manerana ny Nosy ary miantso ny mpanabe ho tony ny mpitantana. Nohamafisiny fa malalaka ny safidy sy ny fanehoan-kevitra ho an’ny mpikambana ao amin’ny sendikà tsirairay.
Misy ny atrikasa ho fandrafetana ireo boky sy torolalana amin’ny fampianarana, ny 25 hatramin’ny 27 oktobra any Manakara. Mandray anjara ny tomponandraikitry ny “ressources pédagogiques” eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika hampanara-penitra ny torolalana ho an’ny mpampiofana sy ny boky torolalana amin’ny fampianarana teknika.