Ravololomanana Lalatiana : « Tsy kianja fifandonana Antananarivo Renivohitra »

Sorona hatrany ny tanànan’Antananarivo Renivohitra rehefa misy hetsika politika. Tsy manaiky ny tanànan’Antananarivo ho kianja fanaovana izany intsony ny tomponandraikitra, araka ny nambaran-dRavololomanana Lalatiana.

Naneho ny heviny mom­ba ny hetsiky ny kandidà 11 Ravololomanana Lalatiana, mpanolotsaina mo­nisipaly sady mpanao politika. Tao anatin’izany no nilazany fa tsy kianja fifandonana ny tanànan’Antananarivo, raha misy ny tsy fahafalian’ny mpanao politika very sy mitady seza. Ankoatra izay, naneho hevitra mahakasika ny fifidianana ity mpanolotsaina monisipaly amin’izao fotoana izao ity.
“Antananarivo Renivohitra hatrany no atao kianja rehefa misy tsy fahafalian’ireo mpanao politika very seza na mitady seza ka hentitra aho miteny sy mamerina eto fa tsy azo atao kianja fifandonana intsony ny renivohitr’i Madagasi­ka­ra”, hoy Ravololomanana Lalatiana. Nitodika tamin’ireo mpiasam-panjakana sy olon-tsotra ihany koa izy ary nanambara ny tsy tokony hanekena ny fitarihan’ireo kandidà ireo amin’ny fanakorontanana izay ataony eto amin’ny firenena. Araka ny nambarany, samy efa nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ary neken’ny HCC, avy eo nanao antsapaka ka efa nahazo laharana teny amin’ny CENI izay misoratra any anaty biletà tokana ho safidina amin’ny 16 Novambra. Ka tsy mety intsony ary tsy tokony ho voatarika amin’izany na ny olom-pirenena tsotra na ny mpiasam-panjakana.

Tsy afangaro ny sendikaly sy ny politika

Zo sendikaly ny fanaovana fitokonana, itakin’ny mpiasa izay maharary azy. Tsy azo atao kosa anefa ny manafangaro izany amin’ny hetsika politika fitadiavana fahefana sy seza. Nanambara ihany ity mpanolotsaina monisipaly ity fa malalaka tanteraka ny fanehoan-kevitra sy fitokonana ataon’ny mpiasa raha toa ka ara-dalàna ny fanaovana izany, sahala amin’ny fametrahana “Préavis de grève”.

Lin

Partager sur: