TARATRY ny KANTO

Les Talenta, eny amin’ny Le Quartier By Pass. Mitohy hatrany ny andiam-pampisehoana tontosain’i Mbola Talenta, Inah ary Fanilo Poppins. Tsy eo aloha i Mirana anio, fa izy telo mianadahy kosa no hamelona ireo hira tsy tontan’ny ela, nanamarika ny taom-polo 60,70,80 ary 90, araka ny fanaovan’izy ireo azy. Misy ireo efa fanaon’ny Les Talenta fa misy koa ireo vao notrandrahana no alahatra amin’ity fiarahana ity.

Hanitra, etsy amin’ny Piment Café. Anio ilay fotoana nampanantenain’i Hanitra Ranaivo, ho an’ireo mpankafy azy eto an-tanindrazana. Manomboka amin’ny 8 ora alina ny seho, iarahany amin’i Benny, izay mpiray tarika aminy ao amin’ny Lôlô sy ny tariny, sy i Nini Kaolibera ary i Jean Marc Bontemps. Hira arahin-gitara, mitety vanim-potoana ary manasongadina ilay feo miavaka hananan’i Hanitra no alahatra mandritra izany.

Akademia Malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny velakevitra natolotry Rabenalisoa Ravalitera Jean sy Ranjatohery Harilala. Novelabelarina tao anatin’izany ny “Ny Hafatr’i Rainandriamampandry ho an’ny taranaka malagasy”.

“Hymne”. Seho an-tsehatra miavaka no atolotry ny Compagnie Miangaly théatre sy ny Fine-Art ary ny Fondation H, ny Alahady 29 oktobra 2023, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ao anatin’ny fampisehoana “Hymne”. Seho teatra, ravahina hira sy haikanto maro samihafa no ho hita mandritra ny fampisehoana.

Partager sur: