Voafehin’ny lalàna tsy hitsabaka sy hanana fiandaniana politika ary manana ny fitsipika mifehy ny asa ny mpiasam-panjakana. Voakasik’izany ny ao amin’ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana. Efa nampitandrina ny mpiasa ny ao amin’ny fitantanana foibe mba tsy ho voasariky ny adilahy politika. Nambarany koa fa, «tsy ara-dalàna ny fanambaran’ny fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa SSM, sady tsy rafitra ao anatin’ny sendikan’ny mpiasan’ny ladoany Sempidou. Koa, tsy azo ekena ny fanambaran’ny SSM, satria miteny amin’ny anaran’ny ladoany, satria mahatonga savorovoro ».
Manoloana ireo, manamafy ny fitantanana ny fadin-tseranana fa mitohy ny asa andavanandro ary tsy misy ny fitokonana ao amin’ny ladoany. Entanina ny mpiasa ho mailo amin’ny toe-draharaha toy izao, ary toraka izany koa ho an’ny mpandraharaha.
Raha misy fitakiana atao dia manaraka rafitra sy izay voalazan’ny sata sy ny lalàna mifehy ny mpiasam-panjakana. Maro ny dingana arahina vao tonga amin’izany fitokonana izany. Ankoatra izany, niezaka nanatsara ny fomba fiasa ny ladoany nandritra ny taona maro, toy ny fanavaozana,ny fampiasana ny niomerika, ny fampiasana ny « scanner », sns. Teo koa ny fanatsarana ny tombontsoan’ny mpiasa mba hahazoana vokatra tsara.
Njaka A.