VAOVAO TAMBATRA

Manomboka ny fanarenana ny tsena maitso etsy Behoririrka, taorian’ilay fahavoazana niseho ny zoma teo. Hanamora ny fikirakirana ny atontan-taratasin’ireo mpivarotra ihany koa ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana hanampiana azy ireo. Tsiahivina fa amina tapitrisa maro no kilan’ny afo tamin’ity voina niseho ity.

Mahatratra 20 000 t isan-taona ny vokatra mahabibo avy ao Ambilobe. Vokatra tsara kalitao sy afaka mifaninana eo amin’ny tsenam-barotra. Napetraka any an-toerana afakomaly ny milina hanamainana karazam-boankazo tamin’ny alalan’ny taninketsa indostrialy. Hivoaka tsy ho ela ihany koa ny fifantenana ny mpandraharaha hitantana izany.

Simba vokatry ny orana mikija ny milina ma­matsy ny rano fisotro eny Mandroseza. Maro ny faritra eto Antananarivo sy ny manodidina, voatery tapaka ny famatsian-drano, toy ny any Ambohitrara­haba, Analamahitsy, Anjanahary, Amboditsiry, sns. Miasa andro aman’alina ny Jirama, manarina izany, ary hiverina tsy ho ela ny famatsiana.

Miantraika any amin’ny mpiasa tena ny delestazy. Anisan’izany ny mpanao volo, ny mpikirakira vy, ary indrindra ny mpivarotra madinika. Ho an’ity farany, maro ireo asa ateraky ny mpivarotra mandehandeha, vokatra mangatsiaka, toy ny zava-pisotro mangatsiaka. Potika tanteraka ny fidiram-bolan’izy ireo.

Partager sur: